|
|
|
HIRA FANEVA
Isaoranay Ianao ry Ray
Noho ny nahatratraranay
Izao fotoana nijoroan'ny fiangonanao
An-taona maro lasa izao
Ka ny fiangonanao najoro
Vatolampy tsy hikoro
ô! Tahio haharitra mandrakizay
Izy no nihavian'izao
zavatra rehetra izao
Izy no mihazona, Izy koa no antony
Izy omem-boninahitra
Ka ny fiangonany najoro
Vatolampy tsy hikoro
Dia tahiny haharitra mandrakizay
|
|
|